Anisan’ny anatra voaraiko izy ity fony aho nitantana fikambanana iray izay. Ary androany hifampizarako kely aminareo eto indray ny resaka fiovana sy ny faharetany eo amin’ny tsirairay. Misy ary maro amintsika manko no maniry te hanova sy hanavao zavatra eo amin’ny fiainana. Ary anisan’ny tena mampiavaka antsika dia ilay eritreritra hoe vetivetika ny fisian’ny fiovana eo amin’ny fiainana. Fa saingy indrisy, tsy izany loatra ny tena zava-misy fa mila faharetana be mihitsy ny fanovana zavatra iray eo amin’ny fiainana.
Fa inona tokoa moa izany fiovana izany ?
Raha raisina amin’ny fiteny tsotra, dia fialana amin’ny zavatra iray toy ny hoe fahazarana, ny toetra, sns… Ka fidirana amin’ny zava-baovao. Eo ohatra ny fiovana eo amin’ny fomba fiaina, eo amin’ny toetra, eo amin’ny asa sy ny sisa.
Maninona no mila fiovana isika ?
Somary tsy dia tena mety ary mahakamo ihany raha toa ka mijanona amin’ny fiainana taloha sy ny hoe fiainana mahazatra izany raha mbola afaka mivoatra eo amin’ny fiainana. Nisy zao ohatra hoe mahantra izy androany fa rahampitso lasa mpanan-karena.
Ny fiovana toy ny singa iray manampy ny tsirairay hahita tsirony amin’ny fiainany. Ary ao anatin’io fiovana io avokoa no ahazoana ny zava-baovao mety manatsara kokoa noho ny taloha.
Mila faharetana ny fiovana !
Eto amin’izay aho vao miditra tanteraka amin’ny tena nanoratako an’ity lahatsoratra kely ity. Betsaka no mitady fiovana eo noho eo, nefa na inona na inona ataonao, na aiza na aiza misy anao, dia tsy misy fiovana tsy misy faharetana izany. Tao anatin’ny fitantanana izay nataoko aho no sendra nahazo fangatahina izay tsy azoko notanterahina teo noho eo, fiovana ny fiainan’ny fikambanana !
Somary moramora lazaina ilay hoe mila fiovana ny fiainan’ny fikambanana, nefa ahoana tokoa moa no hanovana ny fiainan’ny fikambanana tanteraka ao anatin’ny fotoana fohy ? Somary nampisalasala ahy ilay hevitra fa saingy talohan’ny nanakatonako ny fitantanako an’io fikambanana io dia efa niseho ny fiovana na dia tsy toy ny nieritreretan’ny mpikambana tao fony izy ireo nangataka aza izany.
Toy izany koa anefa ny amin’ny fiainana, mety hoe te hihena ianao dia hoe hanao régime sy ny sisa. Tsarovy fa raha indray na indroa ihany ianao no hoe hanao an’io dia tsy dia hahita vokatra firy. Fa mila fotoana elaela vao mahita vokatra tsara anatin’io tanjonao io. Toy izany ihany koa rehefa mikotrana, mila fotoana elaela ihany koa vao tsapanao ny tena herin’ilay kotrana natao.
Farany, somary nataoko fohifohy ihany ity lahatsoratra ity fa saingy raha hiresaka mahakasika ny fiovana ihany amin’ny fiainana, dia aleo koa mba aseho hoe tena maniry ny fisian’io fiovana io ary tena manam-paharetana tokoa amin’ny fiandrasana azy io.
Ulrich Andrianina
Leave a Reply
You must be logged in to post a comment.