Ulrich Andrian

Blaogy toy ny blaogy rehetra entina hizarana.

Mbola misy ny fifanampiana any ho any…

Taorian’ny fetin’ny Paka lasa teo, dia nisafidy ny hisitaka kely ny renivohitra aho rehefa nisy niantso ny hiaraka hiasa Aminy. Teo amin’ny 10 andro teo ny faharetan’ny fotoana nandehanako tany ary nandritra an’io fotoana io dia betsaka ny zavatra itako sy niainako niaraka tamin’ireo manodidina rehetra. Ny tena horesahiko eto anefa anio, dia ilay toe-tsaina mifanampy sy mifanohina.

Toe-tsaina tsy ananana eto an-drenivohitra intsony io toe-tsaina ambarako eto io fa saingy misy toerana eto Madagasikara mbola tena ahitana azy io. Ary tsy noeritreretiko ho anisan’ny niaina an’ilay fomba fitenenana hoe : “Aleo very tsikalakalam-bola, toy izay very tsikalakalam-pihavanana.

Nandritra ny fitsidihako tany amin’io toerana io vokatry ny asa niandry ahy, dia tsapako fa mbola mifanampy sy mifanohina ihany ny olona any. Ekena fa hoe efa tena sarotra ny fiainana, fa mbola betsaka ireo olona manana an’ilay toe-tsaina ny hoe aleo mifanampy raha mbola azo atao.

Marina koa anefa fa na dia eo aza ny ankamaroan’ny olona mety te hanana an’io toe-tsaina mifanampy io, dia mety misy ihany ireo tsy dia te hiombon-kevitra amin’izany. Tsy natao ho olana anefa izany, satria ny firaisan-kina ananan’ireo olona efa mifanampy ireo dia ampy handrosoana amin’izay rehetra atao.

Mila faharetana ny fiovana !

Anisan’ny anatra voaraiko izy ity fony aho nitantana fikambanana iray izay. Ary androany hifampizarako kely aminareo eto indray ny resaka fiovana sy ny faharetany eo amin’ny tsirairay. Misy ary maro amintsika manko no maniry te hanova sy hanavao zavatra eo amin’ny fiainana. Ary anisan’ny tena mampiavaka antsika dia ilay eritreritra hoe vetivetika ny fisian’ny fiovana eo amin’ny fiainana. Fa saingy indrisy, tsy izany loatra ny tena zava-misy fa mila faharetana be mihitsy ny fanovana zavatra iray eo amin’ny fiainana.

 

Fa inona tokoa moa izany fiovana izany ?

Raha raisina amin’ny fiteny tsotra, dia fialana amin’ny zavatra iray toy ny hoe fahazarana, ny toetra, sns… Ka fidirana amin’ny zava-baovao. Eo ohatra ny fiovana eo amin’ny fomba fiaina, eo amin’ny toetra, eo amin’ny asa sy ny sisa.

 

Maninona no mila fiovana isika ?

Somary tsy dia tena mety ary mahakamo ihany raha toa ka mijanona amin’ny fiainana taloha sy ny hoe fiainana mahazatra izany raha mbola afaka mivoatra eo amin’ny fiainana. Nisy zao ohatra hoe mahantra izy androany fa rahampitso lasa mpanan-karena.

Ny fiovana toy ny singa iray manampy ny tsirairay hahita tsirony amin’ny fiainany. Ary ao anatin’io fiovana io avokoa no ahazoana ny zava-baovao mety manatsara kokoa noho ny taloha.

 

Mila faharetana ny fiovana !

Eto amin’izay aho vao miditra tanteraka amin’ny tena nanoratako an’ity lahatsoratra kely ity. Betsaka no mitady fiovana eo noho eo, nefa na inona na inona ataonao, na aiza na aiza misy anao, dia tsy misy fiovana tsy misy faharetana izany. Tao anatin’ny fitantanana izay nataoko aho no sendra nahazo fangatahina izay tsy azoko notanterahina teo noho eo, fiovana ny fiainan’ny fikambanana !

Somary moramora lazaina ilay hoe mila fiovana ny fiainan’ny fikambanana, nefa ahoana tokoa moa no hanovana ny fiainan’ny fikambanana tanteraka ao anatin’ny fotoana fohy ? Somary nampisalasala ahy ilay hevitra fa saingy talohan’ny nanakatonako ny fitantanako an’io fikambanana io dia efa niseho ny fiovana na dia tsy toy ny nieritreretan’ny mpikambana tao fony izy ireo nangataka aza izany.

Toy izany koa anefa ny amin’ny fiainana, mety hoe te hihena ianao dia hoe hanao régime sy ny sisa. Tsarovy fa raha indray na indroa ihany ianao no hoe hanao an’io dia tsy dia hahita vokatra firy. Fa mila fotoana elaela vao mahita vokatra tsara anatin’io tanjonao io. Toy izany ihany koa rehefa mikotrana, mila fotoana elaela ihany koa vao tsapanao ny tena herin’ilay kotrana natao.

 

Farany, somary nataoko fohifohy ihany ity lahatsoratra ity fa saingy raha hiresaka mahakasika ny fiovana ihany amin’ny fiainana, dia aleo koa mba aseho hoe tena maniry ny fisian’io fiovana io ary tena manam-paharetana tokoa amin’ny fiandrasana azy io.

 

Ulrich Andrianina

Hanoratsoratra eto indray !

Raha izaho sy ny asa soratra angamba aloha, dia tsy dia tena nifankahazo intsony efa elaela izay. Nisy ny fotoana tena nijanonana tanteraka mihitsy, ka hany tsy nahay niverina intsony noho ny tsy fahampian’ny fotoana sy ny fiainana iainana ankehitriny.

Iza moa aho ?

Ulrich Andrianina

Teo amin’ny asa soratra aho, dia mitondra ny anarana Vetso Mena. Tamin’ny blaogy sy ny kaontiko taloha ao dia mitondra ny anarana hoe Luriss Adr. Fa ny tena anarako kosa dia Ulrich.

Hatramin’ny mbola kely aho no efa tia mamorona. Dia anisan’ny tena nankafiziko anatin’ny asa famoronana ny manoratra. Betsaka ny asa soratra efa nataoko hatramin’izay, fa saingy kosa tsy dia tena ao anatiko loatra ilay hoe ho lasa mpanoratra aho

Mahakasika ny blaogy

Tato amin’ny serasera no anisan’ny nametrahako ny blaogiko voalohany. Ary niainga avy tato ny hetaheta hianatra manokana ny WordPress. Amin’izao kosa, dia ato no hanoratako sy hametrahako indray ny karazan-dahatsoratra rehetra hosoratako ato ho ato.

Hiezaka ny hanoratra matetitetika aho sy hizara lahatsoratra eto. Fa ity aloha dia toy ny fanokafam-bavony fotsiny ihany…

© 2025 Ulrich Andrian

Theme by Anders NorenUp ↑