Taorian’ny fetin’ny Paka lasa teo, dia nisafidy ny hisitaka kely ny renivohitra aho rehefa nisy niantso ny hiaraka hiasa Aminy. Teo amin’ny 10 andro teo ny faharetan’ny fotoana nandehanako tany ary nandritra an’io fotoana io dia betsaka ny zavatra itako sy niainako niaraka tamin’ireo manodidina rehetra. Ny tena horesahiko eto anefa anio, dia ilay toe-tsaina mifanampy sy mifanohina.

Toe-tsaina tsy ananana eto an-drenivohitra intsony io toe-tsaina ambarako eto io fa saingy misy toerana eto Madagasikara mbola tena ahitana azy io. Ary tsy noeritreretiko ho anisan’ny niaina an’ilay fomba fitenenana hoe : “Aleo very tsikalakalam-bola, toy izay very tsikalakalam-pihavanana.

Nandritra ny fitsidihako tany amin’io toerana io vokatry ny asa niandry ahy, dia tsapako fa mbola mifanampy sy mifanohina ihany ny olona any. Ekena fa hoe efa tena sarotra ny fiainana, fa mbola betsaka ireo olona manana an’ilay toe-tsaina ny hoe aleo mifanampy raha mbola azo atao.

Marina koa anefa fa na dia eo aza ny ankamaroan’ny olona mety te hanana an’io toe-tsaina mifanampy io, dia mety misy ihany ireo tsy dia te hiombon-kevitra amin’izany. Tsy natao ho olana anefa izany, satria ny firaisan-kina ananan’ireo olona efa mifanampy ireo dia ampy handrosoana amin’izay rehetra atao.