Warning: getimagesize(): Filename cannot be empty in /home/blaogyorg/public_html/wp-content/plugins/wp-open-graph/output.class.php on line 306

Mombamomba

Mikasika ny mpanoratra :

ANDRIANIN’ARISON Jemmy Ulrich ny tena anarako ary 19 taona aho ankehitriny. Anisan’ny tena nahasarika ahy efa somary elaela ihany ity hoe manoratra ity ary toy ny hambo-poko tanteraka mihitsy aza taty aoriana.

Nanoratra tononkalo sy tantara teny ho eny foana moa no tena nataoko taloha ary na dia tsy mbola haiko tsara aza ny fomba fanoratra azy ireny dia tsy nataoko sakana ho ahy ny tsy hanoratra an’izay rehetra mandalo tao an-tsaiko

Fotoana fohy taty aoriana dia nanana fikasana ny hanangana blaogy ny tena ka ankoatran’ireo blaogy mijorojoro etsy sy eroa dia nanangana ny Gasy Mblaogy aho izay anisan’ny tena nampian’ny blaogin’i Voniary bebe kokoa indrindra teo amin’ny fomba fanoratana anaty blaogy ary nanoratra teo amin’ny blaoginy aho ankoatra ny ahy manokana.

Mikasika ity blaogy ity manokana

Ankoatran’ny blaogiko “Gasy mblaogy” dia mbola mitohy hatrany ny faniriako ny hanoratra karazana zavatra maro nefa tsy tiako hatambatra ao avokoa indrindra moa fa ireo eritreritra mandalo isan-karazany ato an-dohako isan’andro. Ka dia nijery ireo blaogy noforoniko taloha aho ary nahita an’ity ka dia tapaka ny hevitro hoe ato no hanoratako hafa ankoatran’ny any amin’ny blaogiko sy izay blaogy mpiara-miasa ary indrindra moa fa ny tambazotran-tserasera.

Luriss Adr